Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 28:9 - Baiboly Katolika

Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: «Arahaba.» Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa indro Jesosy nifanena taminy sady niteny hoe: Finaritra. Ary nanatona izy ireo dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tampotampoka eo dia nifanatrika tamin’ireto vehivavy i Jesoa ary niteny taminy hoe: –Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Dia nanatona an’i Jesoa ireto vehivavy ka namihina ny tongony sady nitsaoka Azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tampotampoka eo dia nifanatrika tamin’ireto vehivavy i Jesoa ary niteny taminy hoe: –Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Dia nanatona an’i Jesoa ireto vehivavy ka namihina ny tongony sady nitsaoka Azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa indro Jesosy nifanena taminy sady niteny hoe: Finaritra. Ary nanatona izy ireo dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.

Jereo ny toko



Matio 28:9
18 Rohy Ifampitohizana  

Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto; ary ny fahamarinanay rehetra, toy ny akanjo maloto. Malazo toy ny ravina avokoa izahay, ary ny helokay, mipaoka anay toy ny rivotra.


Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.»


ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.


Dia hoy i Jesoa taminy: «Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.»


Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy.


Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.


Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe: «Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy ianao.»


Iretsy kosa rehefa avy nitsaoka Azy, dia niverina tany Jerosalema tamin-kafaliana lehibe,


dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.


Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjana iray livatra natao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo.


Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’ireo hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»


Dia namaly i Tomà ka nanao taminy hoe: «Tompoko sy Andriamanitro!»


Farany, ry kristianina havana, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.


Indro, atolotro anao ny sasany amin’ny sinagogan’i Satana, izay mihambo ho Jody, nefa tsy izy, fa mandainga; indro, hataoko tonga hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, dia ho fantany fa tia anao Aho.