Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Matio 28:7 - Baiboly Katolika Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany fa efa nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty Izy, ary indro hialoha anareo any Galilea Izy; any no hahitanareo Azy; izany àry, fa efa nilazako ianareo izay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia mandehana haingana ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy; ary indro, mialoha anareo any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho. DIEM PROTESTANTA Ndeha haingana lazao amin’ny mpianany hoe: «Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea, ka any no hahitanareo Azy.» Izany àry, fa efa nilazako ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ndeha haingana lazao amin’ny mpianany hoe: «Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea, ka any no hahitanareo Azy.» Izany àry, fa efa nilazako ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho. Malagasy Bible Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho. La Bible en Malgache Dia mandehana haingana ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy; ary indro, mialoha anareo any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho. |
Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy; ary aoka hiara-misaina avokoa izy! Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin’ny voalohany, sy manambara izany hatramin’ny ela? Tsy izaho Iaveh va? Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.»
Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra.
Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany.
Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rehefa tonga ny fotoana, fa efa voalazako taminareo izany.
Manaraka izany dia niseho tamin’ny havana iray finoana tsy omby dimanjato izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan’ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry.