Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben’ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin’ny tanàna hafa.
Matio 27:53 - Baiboly Katolika ka nony efa nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty i Jesoa dia nivoaka tamin’ny fasana izy ireo, ka niakatra tany an-tanàna masina ary niseho tamin’ny maro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia nivoaka avy tao amin’ny fasana ireny taorianan’ny nitsanganan’i Jesosy ka nankao amin’ny Tanàna Masina sady niseho tamin’ny olona maro. DIEM PROTESTANTA Dia niala tao am-pasana ireo olona ireo rehefa nitsangana velona i Jesoa ary niditra tao Jerosalema tanàna masina izy ireo, ka niseho tamin’olona maro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala tao am-pasana ireo olona ireo rehefa nitsangana velona i Jesoa ary niditra tao Jerosalema tanàna masina izy ireo, ka niseho tamin’olona maro. Baiboly Protestanta Malagasy ka nivoaka avy tao amin’ny fasana ireo taorian’ ny nitsanganan’i Jesosy, dia nankao amin’ny Tanàna Masina ka niseho tamin’ny maro. Malagasy Bible ka nivoaka avy tao amin'ny fasana ireo taorian'ny nitsanganan'i Jesosy, dia nankao amin'ny Tanàna Masina ka niseho tamin'ny maro. La Bible en Malgache dia nivoaka avy tao amin’ny fasana ireny taorianan’ny nitsanganan’i Jesosy ka nankao amin’ny Tanàna Masina sady niseho tamin’ny olona maro. |
Niorim-ponenana tao Jerosalema ny lehiben’ny vahoaka, ary nanaovana filokana ny vahoaka sisa mba ho tonga honina ao Jerosalema tanàna masina ny iray isam-polo, fa ny sivy toko sisa no ho amin’ny tanàna hafa.
Fa maka ny anarany amin’ny tanàna masina izy ireo, sy miankina amin’ny Andriamanitr’i Israely, izay mitondra Anarana hoe: Iavehn’ny tafika.
Tamin’izay dia nitondra azy nankany amin’ny tanàna masina ny devoly ka nametraka Azy teo an-tampon’ny Tempoly,
Avelao anefa fa aza refesina ny efitrano fidirana ivelan’ny tempoly, satria efa nomena ny Jentily io, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efapolo volana izy, sy ny ôtely, mbamin’izay mivavaka ao.
Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny.
Ary raha misy kosa manesotra teny amin’ity boky faminaniana ity, dia hoesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy ny tanàna masina voasoratra amin’ity boky ity.