Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 27:43 - Baiboly Katolika

Natoky an’Andriamanitra Izy, ka raha tia Azy Andriamanitra dia aoka hanafaka Azy ankehitriny, satria Zanak’Andriamanitra Aho, hoy ny filàzany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

natoky an’Andriamanitra Izy! Aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany (Sal 22.8), satria hoy Izy: Zanak’Andriamanitra Aho.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Andriamanitra no itokiany; koa ankehitriny, raha tia Azy Andriamanitra, dia aoka hanafaka Azy, fa hoy Izy manko hoe: «Zanak’Andriamanitra Aho.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Andriamanitra no itokiany; koa ankehitriny, raha tia Azy Andriamanitra, dia aoka hanafaka Azy, fa hoy Izy manko hoe: «Zanak’Andriamanitra Aho.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

natoky an’Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22.8), satria hoy Izy: Zanak’Andriamanitra Aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

natoky an'Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy (Sal. 22. 8), satria hoy Izy: Zanak'Andriamanitra Aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

natoky an’Andriamanitra Izy! Aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany (Sal 22.8), satria hoy Izy: Zanak’Andriamanitra Aho.

Jereo ny toko



Matio 27:43
17 Rohy Ifampitohizana  

Tadiavinareo hokorokoroina ny hevitra kasain’ny ory. Nefa Andriamanitra no arony.


Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa; misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:


Ry Iaveh ô, akory izato hamaroan’ny fahavaloko! Endrey ity habetsahan’ireo mitsangan-kamely ahy!


nanao fivavahana tamin’ny Andriamanitry ny aiko. Ary izaho kosa, dia hoy aho amin’Andriamanitra vatolampiko: nahoana no manadino ahy Ianao?


manao hoe: «Efa nafoin’Andriamanitra izy! Enjeho, sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!»


Ary aza mety hotaritin’i Ezekiasa hatoky an’i Iaveh, hataony hoe: Hamonjy antsika tokoa i Iaveh, ary tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria ity tanàna ity.


Aza mety hambosin’i Ezekiasa ianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika i Iaveh? Moa misy andriamaniny ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?


«Izao no holazainareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ataovy hoe: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao, izay itokianao ianao, ataony hoe: ‹Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema.›


nanao hoe: «Ialahy, ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy anatin’ny hateloana ity, vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy; raha Zanak’Andriamanitra ialahy, mialà amin’ny Hazofijaliana.»


Ilay kapiteny sy ny fehiny niambina an’i Jesoa kosa nony nahita ny horohoron-tany mbamin’ny zavatra rehetra tonga teo, dia raiki-tahotra mafy ka nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io.»


Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe: «Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, Ilay voafidy.»


ary nanao hoe: «Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody, vonjeo ny Tenanao.»


Izaho sy ny Ray dia iray ihany.»


ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny etỳ ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho?


Dia hoy ny Jody namaly azy: «Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tsy maintsy hovonoina Izy, satria nanao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.»