Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Matio 26:52 - Baiboly Katolika Fa hoy i Jesoa taminy: «Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao, fa izay rehetra hamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy Jesosy: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra dia ho fatin’ny sabatra. DIEM PROTESTANTA Ary dia hoy i Jesoa tamin’io mpianany io: –Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa izay rehetra mamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary dia hoy i Jesoa tamin’io mpianany io: –Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa izay rehetra mamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra. Malagasy Bible Fa hoy Jesosy taminy: Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin'ny sabatra. La Bible en Malgache Fa hoy Jesosy: Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra dia ho fatin’ny sabatra. |
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany;
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza, fa ny soa ho an’ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva.
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.
Izay tokony ho amin’ny fahababoana, dia mankany amin’ny fahababoana; izay mamono amin’ny sabatra tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra. Toy izany no fandeferana sy finoan’ny olo-masina.
Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»