Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»
Matio 26:36 - Baiboly Katolika Tamin’izay i Jesoa sy ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemanỳ, ary hoy Izy tamin’ny mpianany; «Mipetraha eto ianareo, raha mbola mankany hivavaka Aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Jesosy mbamin’ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha iray antsoina hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho. DIEM PROTESTANTA Tamin’izay i Jesoa mbamin’ireo mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane; ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Mipetraha eto ianareo, fa mbola hankeroa hivavaka Aho! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay i Jesoa mbamin’ireo mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane; ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Mipetraha eto ianareo, fa mbola hankeroa hivavaka Aho! Baiboly Protestanta Malagasy ARY Jesosy mbamin’ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto aloha hianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho. Malagasy Bible Ary Jesosy mbamin'ny mpianany dia tonga tao amin'ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho. La Bible en Malgache Ary Jesosy mbamin’ny mpianany dia tonga tao amin’ny saha iray antsoina hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho. |
Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»
Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: «Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny sitraponao.»
Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,