Matio 26:33 - Baiboly Katolika Fa i Piera namaly hoe: «Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy ho tafintohina na oviana na oviana.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy i Petera Taminy: Na dia ho tafintohina noho ny Aminao aza ny olona rehetra, izaho dia tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana. DIEM PROTESTANTA Dia niteny i Petera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: –Na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao na oviana na oviana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niteny i Petera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: –Na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao na oviana na oviana. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay. Malagasy Bible Fa Petera namaly ka nanao taminy hoe: Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay. La Bible en Malgache Fa hoy i Petera Taminy: Na dia ho tafintohina noho ny Aminao aza ny olona rehetra, izaho dia tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana. |
Maro ny olona midera ny hatsaram-pony avy; fa izay olona mahatoky kosa, dia iza no hahita azy?
Ary hoy i Jesoa taminy: «Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.»
Dia hoy i Piera taminy: «Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana.»
Ary hoy i Piera taminy: «Vonon-kanaraka Anao aho, Tompoko, na ho ao an-tranomaizina, na ho any amin’ny fahafatesana aza.»
Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?» Ka hoy ny navaliny Azy: «Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: «Fahano ny zanak’ondriko.»
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,