Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 26:27 - Baiboly Katolika

Raha efa izany, dia nandray ny kalisy Izy, ary rehefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: «Isotroinareo rehetra ity;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nandray ny kapoaka Izy, koa rehefa nisaotra Izy, dia natolony azy ka nataony hoe: Misotroa amin’ity ianareo rehetra;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo nandray kalisy i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia nomeny ny mpianany ka nataony hoe: –Isotroinareo rehetra

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo nandray kalisy i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia nomeny ny mpianany ka nataony hoe: –Isotroinareo rehetra

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nandray ny kapoaka Izy, koa rehefa nisaotra Izy, dia natolony azy ka nataony hoe: Misotroa amin’ity ianareo rehetra;

Jereo ny toko



Matio 26:27
12 Rohy Ifampitohizana  

Hanainga ny kôpin’ny famonjena aho, ka hiantso ny Anaran’i Iaveh.


Efa tafiditra ny tanimboliko aho, ry anabaviko voafofo, efa nioty ny mirako aman-java-manitra aho; efa nihinana ny toho-tantely aman-tanteliko aho...! efa nisotro ny divay aman-drononoko aho...! Mihinàna, ry sakaiza, misotroa, mimamoa, ianareo olon-tiako!


Ka hoy aho: Hananika ny fototr’antrendry aho, dia handray ny sampahony. Aoka ny nononao ho tahaka ny sampahom-boaloboka; ny hanitry ny fofon’ainao, ho toy ny an’ny pôma;


Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.


Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono.


ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakiny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka.


Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo i Jesoa, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy Izy: «Raiso ary hano; Vatako ity.»


fa Rako, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.


Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo.»


Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va?


Aoka àry handini-tena ny olona, izay vao hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kalisy;