Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
Matio 25:4 - Baiboly Katolika fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany. DIEM PROTESTANTA fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin’ny tavoahangin-tsolika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin’ny tavoahangin-tsolika. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany. Malagasy Bible ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany. La Bible en Malgache ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany. |
Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;
Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.
Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy;
Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.