Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Matio 24:26 - Baiboly Katolika Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro any an’efitra Izy, aza mankany ianareo; indro any amin’ny efitrano mangingina Izy, aza mino izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary amin’izany, raha misy miteny aminareo hoe: Indro, any an-tany efitra Izy, aza mankany ianareo; indro, ao amin’ny efitrano Izy dia aza mino izany. DIEM PROTESTANTA Koa raha misy olona milaza aminareo hoe: «Indro any an-taniefitra ny Mesia», dia aza mankany; na hoe: «Indro ato amin’ny toera-miafina ato Izy», dia aza mino. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa raha misy olona milaza aminareo hoe: «Indro any an-taniefitra ny Mesia», dia aza mankany; na hoe: «Indro ato amin’ny toera-miafina ato Izy», dia aza mino. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany hianareo; Indro, ao amin’ny efi-trano Izy, aza mino. Malagasy Bible Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. La Bible en Malgache Ary amin’izany, raha misy miteny aminareo hoe: Indro, any an-tany efitra Izy, aza mankany ianareo; indro, ao amin’ny efitrano Izy dia aza mino izany. |
Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian’ny Zanak’olona.
Ary tamin’izany andro izany, dia niseho i Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea
Hay! tsy ianao akory ilay Ejiptianina nampikomy vahoaka farany teo, ka nitarika jiolahy efatra arivo tany an’efitra?»