I Jônatasy zanak’i Saola, dia nanan-janaka malemy tongo-droa. Dimy taona io zaza io, no tonga avy any Jezraela, ny filazana ny amin’i Saola sy i Jônatasy hoe maty, ka nentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; noho ny firotorotoan’izy io loatra teny am-pandosirana anefa dia potraka ny zaza ka nalemy tongotra. Mifibôseta no anarany
Tamin’izany, i Manahema dia niala tao Tersà ary namely an’i Tapsà sy ny mponina ao aminy mbamin’ny faritaniny; noho izy tsy namoha vavahady azy, no namelezany azy, ary notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka rehetra.
ka dia niteny taminy hoe: «Renao va izay lazain’ireo?» «Eny, hoy i Jesoa, moa mbola tsy novakinareo va ny hoe: Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza minono no hahazoanao dera?»
Loza no hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’ity firenena ity: