Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 23:3 - Baiboly Katolika

ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy nefa tsy manatanteraka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa amin’izany, ataovy sy araho izay rehetra lazainy; fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny ry zareo fa tsy manao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa amin’izany, ataovy sy araho izay rehetra lazainy; fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny ry zareo fa tsy manao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

koa amin’izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy nefa tsy manatanteraka.

Jereo ny toko



Matio 23:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Any amin’i Jodà koa no namelaran’Andriamanitra ny tanany, ka nomeny fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny lehibe araka ny tenin’i Iaveh.


Raha manao izany ianao ka hatoron’Andriamanitra anao koa izay didiny, dia hahazaka izany ianao ary ny vahoaka koa ho tonga soa aman-tsara amin’izay halehany.»


Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. ‹Handeha aho, tompoko›, hoy io; kanefa tsy nandeha izy.


nanao hoe: «Efa mipetraka eo amin’ny fipetrahan’i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina;


Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.


Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: «Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.


Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra.


Efa notoroako didy amam-pitsipika ianareo araka ny nandidian’i Iaveh ahy hitandremanareo izany any amin’ny tany hidiranareo hanananareo azy.


Mandehana lazao amin’izy ireo hoe: Miverena any an-dainareo.


ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.


Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.