Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 23:28 - Baiboly Katolika

Toy izany koa ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia tahaka izany koa ianareo: Raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsy fankatoavan-dalàna.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Toy izany koa ianareo: eto ivelany miseho ho marina imason’ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy izany koa ianareo: eto ivelany miseho ho marina imason’ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia tahaka izany koa hianareo: raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia tahaka izany koa ianareo: Raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy tsy fankatoavan-dalàna.

Jereo ny toko



Matio 23:28
13 Rohy Ifampitohizana  

Taminao irery ihany no nanotako; nanao izay ratsy eo imasonao aho, mba ho hitan’ny olona fa marina Ianao amin’ny teny fitsaranao.


Azony afenina ihany amin’ny fihatsarambelatsihiny ny fankahalany, nefa mbola hiharihary eo amin’ny fivoriana ny faharatsiany.


Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.


Mila loza ianareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina


Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny.


Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo dia mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra kosa.»


Ary nisy aza Jody sasany, niara-nanao tsikombakomba taminy koa, ka voatarik’izany hatramin’ny tenan’i Barnabe.


Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».