I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina, I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.
Matio 23:22 - Baiboly Katolika ary izay mianiana amin’ny lanitra, dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy amin’izay mipetraka eo amboniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy amin’izay mipetraka eo amboniny. DIEM PROTESTANTA ary izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy amin’Andriamanitra Izay mipetraka eo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy amin’Andriamanitra Izay mipetraka eo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra mbamin’Izay mipetraka eo amboniny. Malagasy Bible Ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin'izay mipetraka eo amboniny. La Bible en Malgache Izay mianiana amin’ny lanitra dia mianiana amin’ny sezafiandrianan’Andriamanitra sy amin’izay mipetraka eo amboniny. |
I Iaveh izay ao amin’ny tempoly masina, I Iaveh izay manana ny fiandrianany any an-danitra, dia mana-maso mahiratra; ary ny hodi-masony mizaha ny zanak’olombelona hatrao anatiny.
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;
Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro kosa. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy ny Tompo. Ary fitoerana toy inona no ho fitsaharako?