Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 23:19 - Baiboly Katolika

Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ry jamba! Inona no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ry jamba! Inona no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?

Jereo ny toko



Matio 23:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Hafitoana no hanaovanao fanoneram-pahotana ho an’ny ôtely sy hanamasinanao azy, dia ho masina indrindra ny ôtely, ary ho masina avokoa izay mikasika ny ôtely.»


Hohamasininao ireo dia ho masina indrindra ary ho masina avokoa izay hikasika azy.


Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. -


Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny Tempoly izay mahamasina ny volamena?


Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy.


Koa amin’izany, izay mianiana amin’ny ôtely, dia mianiana aminy sy amin’izay rehetra eo amboniny;