Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 23:18 - Baiboly Katolika

Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny alitara dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny dia mamato-tena izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hoy koa ianareo hoe: «Raha misy mianiana amin’ny alitara, dia tsy voafehin’ny fianianany velively; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo ambony alitara, dia voafehin’ny fianianany.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy koa ianareo hoe: «Raha misy mianiana amin’ny alitara, dia tsy voafehin’ny fianianany velively; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo ambony alitara, dia voafehin’ny fianianany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny alitara, dia tsy mampanonina izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary koa: Raha misy mianiana amin’ny alitara dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny fanatitra eo amboniny dia mamato-tena izy.

Jereo ny toko



Matio 23:18
7 Rohy Ifampitohizana  

«Raha misy olona manota amin’ny namany, ka asaina hanao fianianana izy, koa tonga mianiana eo anoloan’ny ôtelinao, eto amin’ity trano ity,


Niteny tamin’ny lohan’ny fokon’i Israely i Môizy nanao hoe:


Mila loza ianareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ny Tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ny volamena izay ao amin’ny Tempoly, dia voafehy izy.


Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny Tempoly izay mahamasina ny volamena?


Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra?


Fa hoy kosa ianareo: ‹Raha misy milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Ny zavatra izay tokony hoentiko manampy anao dia efa Kôrobàna› izany hoe: fanatitra ho an’Andriamanitra,


Eny, averiko indray amin’ny olona rehetra manaiky hoforàna fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy.