Matio 23:10 - Baiboly Katolika Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary aza mba mety antsoina hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo dia Kristy. DIEM PROTESTANTA Ary aza mba mety hantsoina hoe «Mpitarika» fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia ny Mesia. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary aza mba mety hantsoina hoe «Mpitarika» fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia ny Mesia. Baiboly Protestanta Malagasy Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. Malagasy Bible Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. La Bible en Malgache Ary aza mba mety antsoina hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo dia Kristy*. |
Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra.
Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Mankanesa any an-tanàna ao amin-dRanona ka lazao aminy hoe: ‹Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko, ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro.› »