Matio 22:37 - Baiboly Katolika Ary hoy i Jesoa taminy: «Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny sainao manontolo» (Deo 6.5). DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa taminy: –«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa taminy: –«Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, amin’ny fanahinao manontolo, ary amin’ny sainao manontolo.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Jesosy taminy: ,,Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra’’ (Deo. 6.5). Malagasy Bible Dia hoy Jesosy taminy: Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5). La Bible en Malgache Dia hoy Jesosy taminy: «Tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo» (Deo 6.5). |
ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»
Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy; sady tsy hainy aza izany.
Ary ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin’i Iaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra, sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao an’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;
Hoforàn’i Iaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao, hitiavanao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra mba ho velona ianao.
Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny namany koa.