Ireo mpanjakan’ny tany mitsimbohitra, ary ny andriana koa miara-mioko, hanohitra an’i Iaveh sy ny Voahosony:
Matio 22:15 - Baiboly Katolika Ary tamin’izay dia lasa ny Farisianina niray tetika hamandrika Azy amin’ny teniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tamin’izay dia lasa ny Fariseo ka nikaon-doha mba hamandrika Azy amin’ny teniny. DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia lasa ireo Farisianina ka niara-nisaina momba izay fanontaniana mety hamandrihany an’i Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia lasa ireo Farisianina ka niara-nisaina momba izay fanontaniana mety hamandrihany an’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin’ ny teniny. Malagasy Bible Ary tamin'izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny. La Bible en Malgache Ary tamin’izay dia lasa ny Fariseo* ka nikaon-doha mba hamandrika Azy amin’ny teniny. |
Ireo mpanjakan’ny tany mitsimbohitra, ary ny andriana koa miara-mioko, hanohitra an’i Iaveh sy ny Voahosony:
Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy: «Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran’io?»
Misandratra any ambonin’ny lanitra Ianao, Andriamanitra ô! Hamirapiratra ambonin’ny tany rehetra anie ny voninahitrao!
dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraimbava; mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin’ny laingany.
Dia hoy izy ireo: «Andeha, hiray tetika hamely an’i Jeremia isika; fa tsy ho faty ny lalàna ao amin’ny mpisorona, na ny hevitra ao amin’ny hendry, na ny tenin’Andriamanitra, ao amin’ny mpaminany! Andeha hasiantsika amin’ny vavantsika izy, ary aza manongilan-tsofina amin’ny teniny isika.»
Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, andeha hotorintsika izy! Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika.
Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona.
Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy Izy, mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky ianareo.