Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà, masìna ianareo, tsarao Aho, sy ny tanimboaloboko!
Matio 21:40 - Baiboly Katolika Koa rehefa tonga ilay tompon’ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa rehefa tonga ny tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa ireo mpiasa tany ireo? DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jesoa nanontany hoe: –Raha tonga àry ilay tompon’ny tanimboaloboka, inona moa no hataony amin’ireo mpamboly ireo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jesoa nanontany hoe: –Raha tonga àry ilay tompon’ny tanimboaloboka, inona moa no hataony amin’ireo mpamboly ireo? Baiboly Protestanta Malagasy Koa raha tonga ny tompon’ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany? Malagasy Bible Koa raha tonga ny tompon'ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa tany izany? La Bible en Malgache Koa rehefa tonga ny tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa ireo mpiasa tany ireo? |
Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà, masìna ianareo, tsarao Aho, sy ny tanimboaloboko!
Nony tonga ny taom-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin’ireo mpiasa ny ankizilahy, handray ny vokatry ny tanimboalobony;
«Haringany tsy hananany antra akory izany mpiasa ratsy fanahy izany, hoy ireo taminy, ary ny tanimboalobony dia hahofany amin’ny mpiasa hafa, izay hanome ny vokatry ny tany amin’ny fotoany.»
Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanimboaloboka amin’izany? Ho avy izy, ka ny mpiasa haringany, ary ny tanimboalobony hafindrany amin’ny hafa.
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?