Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: ‹Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany›
Matio 21:39 - Baiboly Katolika Dia nosamboriny izy ka nentiny tany ivelan’ny tanimboaloboka, ary novonoiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nosamborin’ireo izy ka navoakany teny ivelan’ny tanim-boaloboka ary novonoiny. DIEM PROTESTANTA Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka natosiny tany ivelan’ny tanimboaloboka ary novonoiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nosamborin’ireo mpamboly izy ka natosiny tany ivelan’ny tanimboaloboka ary novonoiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ny tanimboaloboka, dia namono azy. Malagasy Bible Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka, dia namono azy. La Bible en Malgache Dia nosamborin’ireo izy ka navoakany teny ivelan’ny tanim-boaloboka ary novonoiny. |
Kanjo nony hitan’ireo mpiasa ilay zanany lahy, dia nifampilaza izy ireo hoe: ‹Ity ny mpandova; andeha hovonointsika ity, dia ho lasantsika ny lovany›
Koa rehefa tonga ilay tompon’ny tanimboaloboka, hataony ahoana moa izany mpiasa izany?»
Ary hoy i Jesoa: «Ry sakaiza, haninona atỳ ianao?» Tamin’izay dia nanatona ny sasany ka nisambotra an’i Jesoa sy nihazona Azy.
Ary izay nisambotra an’i Jesoa dia nitondra Azy tany amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona, izay nivorian’ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tomponarivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa, ka namatotra Azy.
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova sy ny fahalalany mialoha, ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.
Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’izay nilaza rahateo ny hahatongavan’ilay Marina aza; ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy.