Fa iza àry no atahoranao? iza no ahinao, no dia nivadika amiko ianao, ka tsy mba mahatsiaro Ahy, sy tsy asianao raharaha akory Aho? Moa tsy nangina Aho, ary efa hatry ny ela, dia hatrizay tsy natahoranao Ahy izay?
Matio 21:26 - Baiboly Katolika «Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo? Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha lazaintsika kosa hoe: Avy amin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika satria eken’ny rehetra fa mpaminany i Jaona. DIEM PROTESTANTA Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy», dia ny vahoaka no atahorantsika satria nankatoavin’izy rehetra ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha lazaintsika hoe: «Olombelona no naniraka azy», dia ny vahoaka no atahorantsika satria nankatoavin’izy rehetra ho mpaminanin’Andriamanitra i Jôhany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’izy rehetra ho mpaminany Jaona. Malagasy Bible Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon'izy rehetra ho mpaminany Jaona. La Bible en Malgache Ary raha lazaintsika kosa hoe: Avy amin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika satria eken’ny rehetra fa mpaminany i Jaona. |
Fa iza àry no atahoranao? iza no ahinao, no dia nivadika amiko ianao, ka tsy mba mahatsiaro Ahy, sy tsy asianao raharaha akory Aho? Moa tsy nangina Aho, ary efa hatry ny ela, dia hatrizay tsy natahoranao Ahy izay?
Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va? Eny! hoy Izaho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.
Nitady hamono azy i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Avy taiza moa ny batemin’i Joany? avy tany an-danitra, sa avy tamin’ny olona?» Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe:
Dia izao no navaliny an’i Jesoa: «Tsy fantatray» - «Izaho kosa àry, hoy Izy taminy, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.»
ka nitady hisambotra Azy; saingy natahotra ny vahoaka izay nanao Azy ho mpaminany izy ireo.
Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany.»
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao Azy, dia lasa.
noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Dia notadiavin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna hosamborina teo no ho eo ihany Izy, satria fantany fa izy ireo ihany no nanaovan’i Jesoa izany fanoharana izany; saingy ny tahony ny vahoaka no nampiato azy indray.
Ary raha ataontsika hoe, avy amin’ny olona indray, dia hitora-bato antsika ny vahoaka, satria inoany ho mpaminany i Joany.»
ary ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nikaroka izay hevitra hamonoana an’i Jesoa, fa natahotra ny vahoaka izy ireo.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Ny ray aman-dreniny no nilaza izany, dia noho izy natahotra ny Jody, satria efa nifanaiky ny Jody fa horoahina amin’ny sinagoga izay hanaiky an’i Jesoa ho Kristy,
Dia lasa naka azy ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ny namany, nefa tsy nanao an-keriny fa natahotra sao torahan’ny vahoaka vato.