Matio 21:14 - Baiboly Katolika Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo amin’ny Tempoly ka nositraniny izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy tao amin’ny tempoly dia nositraniny. DIEM PROTESTANTA Ary nisy jamba sy mandringa nanatona an’i Jesoa tao an-kianjan’ny tempoly ka dia nositraniny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nisy jamba sy mandringa nanatona an’i Jesoa tao an-kianjan’ny tempoly ka dia nositraniny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan’ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy. Malagasy Bible Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo an-kianjan'ny tempoly, dia nahasitrana azy Izy. La Bible en Malgache Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy tao amin’ny tempoly dia nositraniny. |
Fa tezitra ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, nony nahita ny fahagagana nataony sy ireto ankizy madinika nihoraka tao an-Tempoly nanao hoe: «Hôzàna ho an’ny Zanak’i Davida,»
Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.
Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagogany sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.