Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 20:23 - Baiboly Katolika

Ary hoy Izy taminy: «Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy Izy taminy: Hisotro amin’ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako dia tsy anjarako ny hanome izany; fa homena ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Ny fijaliana hiaretako, dia hiaretanareo tokoa; fa izany hoe hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako izany kosa dia tsy miankina amiko, fa ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Ny fijaliana hiaretako, dia hiaretanareo tokoa; fa izany hoe hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako izany kosa dia tsy miankina amiko, fa ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin’ny kapoakako tokoa hianareo; fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana sy eo an-tànako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ny Raiko izany no homena.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy Izy taminy: Hisotro amin’ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako dia tsy anjarako ny hanome izany; fa homena ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy izany.

Jereo ny toko



Matio 20:23
12 Rohy Ifampitohizana  

Namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.


Ary nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’izy mirahalahy.


Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao.


fa raha ny hipetraka ao ankavanako na ao ankaviako kosa dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.»


Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany.


Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, satria raha miara-mijaly aminy isika, dia hiara-komen-boninahitra aminy koa.


fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe: «Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»


Ary mafy ny fanantenanay ny aminareo, satria fantatray fa toraka ny niombonanareo tamin’ny fahoriana no hiombonanareo amin’ny fanalana alahelo koa.


Ary ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany, dia ny Eglizy;


fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra Izy hantsoiny hoe: Andriamanitr’izy ireo.


Izaho Joany, havanareo sy namanareo amin’ny fahoriana sy fanjakana ary fandeferana ao amin’i Jesoa Kristy, dia tao amin’ny nosy anankiray atao hoe Patmosy, noho ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fanambaràn’i Jesoa.