Matio 20:22 - Baiboly Katolika Dia hoy ny famalin’i Jesoa: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?» «Efanay ihany,» hoy ireo taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Jesosy namaly azy hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy ireo Taminy: Hainay ihany. DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Jesoa: –Tsy fantatrareo mirahalahy izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako? Dia novalian’izy mirahalahy hoe: –Vitanay! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Jesoa: –Tsy fantatrareo mirahalahy izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako? Dia novalian’izy mirahalahy hoe: –Vitanay! Baiboly Protestanta Malagasy Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany. Malagasy Bible Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany. La Bible en Malgache Fa Jesosy namaly azy hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy ireo Taminy: Hainay ihany. |
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Mifohaza, mifohaza, miarena ianao, ry Jerosalema, izay efa nisotro ny kapoakan’ny hatezerana, avy amin’ny tanan’i Iaveh; izay efa nisotro sy nandany ny kapoaka mahajenjina!
Izao no lazain’i Iaveh Tomponao sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany: Indro efa noesoriko teny an-tananao, ny kapoaka mahajenjina, ny kapoakan’ny fahatezerako; tsy hisotro izany intsony ianao, izao sisa izao.
Satria izao no lazain’i Iaveh: Indro, fa izay tsy tokony hisotro amin’ity kapoaka ity dia hisotro marina tokoa; ka ianao kosa ve ho afa-potsiny? Tsia, tsy ho afa-potsiny ianao, fa hisotro azy marina tokoa!
Fa hoy i Piera taminy: «Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.» Dia nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.
Ary nony nandroso kely Izy, dia nihohoka tamin’ny tany ka nivavaka nanao hoe: «Raiko, raha azo atao, aoka hoesorina amiko ity kapoaka ity, kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no ho tanteraka, fa ny Anao.»
Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: «Raiko, raha tsy azo esorina ity kapoaka ity fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ho tanteraka anie ny sitraponao.»
fa tonga izany rehetra izany mba ho tanteraka izay efa voasoratry ny Mpaminany.» Ary tamin’izay dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
nanao hoe: «Aba, Raiko, azonao atao ny zavatra rehetra, ka aoka tsy hikasika Ahy ity kapoaka ity; kanefa aoka tsy ny sitrapoko no ho tanteraka, fa ny Anao.»
Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany!»
nanao hoe: «Raiko ô! raha sitrakao, halaviro Ahy ity kapoaka ity; ny sitraponao anefa no aoka ho tanteraka, fa tsy ny Ahy.»
Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera: «Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao: tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?»
Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;
mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filàn-dratsinareo, ka tsy mahazo ianareo.