Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny,
Matio 20:20 - Baiboly Katolika Ary tamin’izany nanatona Azy ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany, nanatona an’i Jesosy ny renin’ny zanak’i Zebedio mbamin’ireo zanany lahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra Taminy. DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa ny vadin’i Zebedeo mbamin’ireo zanany lahy. Sady niankohoka nanoloana Azy ravehivavy no nangata-javatra taminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa ny vadin’i Zebedeo mbamin’ireo zanany lahy. Sady niankohoka nanoloana Azy ravehivavy no nangata-javatra taminy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’izany dia nanatona an’i Jesosy ny renin’ny zanak’i Zebedio mbamin’ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy. Malagasy Bible Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy. La Bible en Malgache Tamin’izany, nanatona an’i Jesosy ny renin’ny zanak’i Zebedio mbamin’ireo zanany lahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra Taminy. |
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny,
Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: «Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao.»
Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho!»
ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary indro ilay kintana hitany tany atsinanana, dia nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza.
anisan’ireo i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba sy i Josefa, ary ny renin’i zanak’i Zebede.
Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy.
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona, dia nitsaoka Azy ka nanao hoe: «Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy.»
Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa: anisan’ireny i Maria Madelenina, sy i Maria renin’i Jakôba zandriny sy i Josefa, ary koa i Salôme,