Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
Matio 19:26 - Baiboly Katolika Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe: «Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Jesosy nibanjina azy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy hain’ny olona izany, kanefa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe: –Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa raha amin’Andriamanitra, dia hainy avokoa ny zavatra rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa nojeren’i Jesoa tsara ireto mpianany sady nataony hoe: –Raha amin’ny olombelona, dia zavatra tsy hainy izany; fa raha amin’Andriamanitra, dia hainy avokoa ny zavatra rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Malagasy Bible Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra. La Bible en Malgache Fa Jesosy nibanjina azy ka niteny tamin’ireo hoe: Tsy hain’ny olona izany, kanefa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra. |
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
Ny lafarina tao am-bilany tsy lany, ny diloilo tao an-tavoara tsy nihena, araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’ny alalan’i Elia.
Mitsangàna, ry Iaveh ô! Vonjeo aho, ry Andriamanitro! Fa Ianao no mamely ny takolaky ny fahavaloko rehetra; Ianao no manorotoro ny nifin’ny ratsy fanahy.
Aza matoky ny fanovana an-keriny, ary aza miantehitra foana amin’izay fitohàna. Raha mitombo ny harenareo, aza miraiki-po amin’izany ianareo.
«Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin’ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Amin’izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason’izay sisa amin’ity firenena ity, moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany.» - teny marin’i Iavehn’ny tafika? -
Dia hoy ny navalin’i Iaveh an’i Môizy: «Fohy loatra va ny tanan’i Iaveh? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako.»
Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany, ka nanao hoe: «Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?»
Namaly i Piera ka nanao taminy hoe: «Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao, ka inona àry no ho azonay?»
Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: «Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra.»
nefa nivadika, dia hataon’ireny ahoana ny hohavaozina indray ho amin’ny fibebahana, nefa anie mamàntsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny Hazofijaliana indray izy ireo, sady manolotra Azy halàm-baraka?
Dia hoy i Jônatsy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiany: «Andeha isika ho any amin’ny antoko-miaramilan’ireo tsy mifora ireo; angamba hiasa hanampy antsika i Iaveh, satria tsy misy mahasakana an’i Iaveh tsy hamonjy, na amin’ny maro na amin’ny vitsy».