«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»
Matio 19:19 - Baiboly Katolika manajà ny rainao aman-dreninao, ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 manajà ny rainao sy ny reninao (Eks 20.12-16), ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). DIEM PROTESTANTA hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao! Baiboly Protestanta Malagasy ,,Manajà ny rainao sy ny reninao’’ (Eks. 20.12–16), ary: ,,Tiava ny namanao tahaka ny tenanao’’ (Lev. 19.18). Malagasy Bible Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20:12-16), ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). La Bible en Malgache manajà ny rainao sy ny reninao (Eks 20.12-16), ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18). |
«Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.»
Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin’ny zana-boromahery.
Aza mamaly ratsy, na manao an-dolompo amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Iaveh.
Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny sabatako. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
«Hatry ny fony mbola kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany, hoy ilay tovolahy taminy; ka inona no mbola tsy ampy amiko?»
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»
Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsirirì-javatr’olona, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin’ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin’ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
«Manajà ny ray aman-dreninao, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao, mba hohalavaina ny andronao sy ho sambatra any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Raha ianareo mitandrina ny didy ambony indrindra voalazan’ny Soratra Masina hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, dia manao tsara ianareo;