Ary amin’ireo zanakao, avy amin’ny tenanao, naterakao, dia hangalana hatao eonoka, any an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
Matio 19:12 - Baiboly Katolika Fa misy eonòka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonòka nataon’ny olona, ary misy eonòka izay nanao ny tenany eonòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa misy ionòka efa hatrany an-kibon’ny reniny; ary misy ionòka, noho ny nataon’ny olona; ary misy ionòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray. DIEM PROTESTANTA Eny, misy olona tsy hanambady noho ny antony samihafa: ao ny tsy manambady, satria manan-kilema hatrany an-kibon-dreniny; ao ny tsy manambady, satria noterena hahazo takaitra; ary ao ny tsy manambady an-tsitrapo noho ny Fanjakàn’ny lanitra. Izay afa-mandray izany, aoka handray! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, misy olona tsy hanambady noho ny antony samihafa: ao ny tsy manambady, satria manan-kilema hatrany an-kibon-dreniny; ao ny tsy manambady, satria noterena hahazo takaitra; ary ao ny tsy manambady an-tsitrapo noho ny Fanjakàn’ny lanitra. Izay afa-mandray izany, aoka handray! Baiboly Protestanta Malagasy fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon’ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray. Malagasy Bible fa misy ionoka, izay teraka ionoka hatrany an-kibon-dreniny; ary misy ionoka, izay nataon'ny olona ionoka; ary misy ionoka, izay nanao ny tenany ionoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray. La Bible en Malgache fa misy ionòka* efa hatrany an-kibon’ny reniny; ary misy ionòka, noho ny nataon’ny olona; ary misy ionòka noho ny fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izany izay mahay mandray. |
Ary amin’ireo zanakao, avy amin’ny tenanao, naterakao, dia hangalana hatao eonoka, any an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
Ary hoy Izy taminy: «Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany.
Tamin’izay dia nisy zazakely maromaro nentina teo aminy, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Izaho anefa dia sady tsy nampiasa izany fahefana izany no tsy nanoratra ity ho toy ny hitaky izany hatao amiko. Aleoko maty, toy izay ny voninahitro amin’izany no hofoanan’olona.
Moa tsy mahazo mitondra anabavy miaraka aminay va izahay, tahaka ny ataon’ireo Apôstôly sasany, sy ny havan’ny Tompo, ary i Sefasy?
Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin’ny olona, ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;