Ary rehefa teraka tao Betlehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema
Matio 19:1 - Baiboly Katolika Rehefa avy niteny izany i Jesoa dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin’i Jodea, andafin’i Jordany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa vitan’i Jesosy ireo teny ireo dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny andafin’i Jordana, dia tonga tany amin’ny faritanin’i Jodia. DIEM PROTESTANTA Rehefa nahavita izany anatranatra izany i Jesoa, dia niala tao Galilea ary nankany amin’ny faritra antsisin’i Jodea, eny andafin’ny ony Jôrdàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nahavita izany anatranatra izany i Jesoa, dia niala tao Galilea ary nankany amin’ny faritra antsisin’i Jodea, eny andafin’ny ony Jôrdàna. Baiboly Protestanta Malagasy ARY rehefa vitan’i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny làlana teny an-dafin’i Jordana, dia tonga tany amin’ny sisin’i Jodia. Malagasy Bible Ary rehefa vitan'i Jesosy izany teny izany, dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny an-dafin'i Jordana, dia tonga tany amin'ny sisin'i Jodia. La Bible en Malgache Ary rehefa vitan’i Jesosy ireo teny ireo dia niala tany Galilia Izy ka nihazo ny lalana teny andafin’i Jordana, dia tonga tany amin’ny faritanin’i Jodia*. |
Ary rehefa teraka tao Betlehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, indreo nisy Majy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema
Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany,
Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany, amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany.