Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 18:25 - Baiboly Katolika

Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony namidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary satria tsy nanan-kaloa izy io dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vady aman-janany mbamin’ny fananany rehetra mba handoavana ny trosa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy ho andevo ny tenan’ilay mpanompo mbamin’ny vady aman-janany ary hamidy koa ny fananany rehetra, mba handoavana ny trosa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy ho andevo ny tenan’ilay mpanompo mbamin’ny vady aman-janany ary hamidy koa ny fananany rehetra, mba handoavana ny trosa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny fananany rehetra handoavana ny trosa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary satria tsy nanan-kaloa izy, dia nasain'ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin'ny fananany rehetra handoavana ny trosa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary satria tsy nanan-kaloa izy io dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vady aman-janany mbamin’ny fananany rehetra mba handoavana ny trosa.

Jereo ny toko



Matio 18:25
9 Rohy Ifampitohizana  

Nisy vehivavy anankiray vadin’ny iray amin’ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’i Elisea, nanao hoe: «Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao fa natahotra an’i Iaveh ny mpanomponao ary tonga haka ny zanako roa ho andevony ny tompon-trosa izao.»


Ary ankehitriny dia mba toy ny nofon’ny rahalahinay ihany ny nofonay ka mba toy ny zanany ihany koa ny zanakay, kanjo indro fa ampidirinay amin’ny fanandevozana ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ary ny sasany amin’ny zanakay vavy efa andevo sahady. Ary ataonay ahoana moa fa efa lasan’ny sasany ny taninay aman-tanimboalobokay.»


dia nilaza taminy hoe: «Izahay nanavotra ny Jody rahalahintsika namidy tamin’ny firenena araka ny anananay, ka ianareo kosa ve, hivarotra ny rahalahinareo, sady hivarotra azy aminay!» Gina tsy nahita havaly izy ireo.


Rehefa hividy mpanompo hebrio ianao, enin-taona no hanompoany, fa amin’ny taona fahafito dia hiala izy ka afaka tsy mandoa na inona na inona.


fa raha efa niposaka kosa ny masoandro dia hisy valin-dra ihany. Hanonitra ny mpangalatra; raha tsy manana na inona na inona izy dia ny tenany no amidy ho onitr’izay nangalariny;


Izao no lazain’i Iaveh: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany, no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.


Raha mihamahantra ny rahalahinao eo akaikinao, ka mivaro-tena aminao, aza dia ampanaovina asan’andevo izy,


ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentina teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.


Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?»