Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy, nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
Matio 18:23 - Baiboly Katolika «Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray izay ta hanamarina ny amin’ny toe-bolany amin’ny mpanompony. DIEM PROTESTANTA Koa amin’izany, ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ny mpanjaka anankiray izay te hampamoaka ireo mpanompony momba ny kaontim-bolany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa amin’izany, ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ny mpanjaka anankiray izay te hampamoaka ireo mpanompony momba ny kaontim-bolany. Baiboly Protestanta Malagasy Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin’ny mpanompony ny amin’ny volany. Malagasy Bible Koa amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray, izay te-hidinika amin'ny mpanompony ny amin'ny volany. La Bible en Malgache Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray izay ta hanamarina ny amin’ny toe-bolany amin’ny mpanompony. |
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy, nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay, izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koban-dafarina intelon’ny famarana, mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra.
«Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;
Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: «Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny.»
ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentina teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
«Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra, dia ho tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
«Fa Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny, ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrify azy tsirairay avy.