Dia niantso an’i Iaveh izy, nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?»
Matio 17:21 - Baiboly Katolika Raha nitety an’i Galilea izy ireo, dia hoy i Jesoa taminy: «Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanefa iny karazana iny dia tsy miala raha tsy avoaka amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina. DIEM PROTESTANTA Iny karazan-demony iny anefa dia tsy tafavoaka, raha tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina.] Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Iny karazan-demony iny anefa dia tsy tafavoaka, raha tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina.] La Bible en Malgache Kanefa iny karazana iny dia tsy miala raha tsy avoaka amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina. |
Dia niantso an’i Iaveh izy, nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?»
dia mandeha izy maka fanahy fito hafa ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra izy ireo ka monina ao, ary ny faran’izany olona izany aza no ratsy noho ny voalohany. Dia ho tahaka izany koa no hanjò ity taranaka ratsy ity.»
ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.» Dia nalahelo mafy izy ireo.
Nony niala teo izy ireo, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: «Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.»
Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;
tamin’ny famonoan-tena sy fikelezana aina, tamin’ny fiaretan-tory matetika, tamin’ny hanoanana aman-ketaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka amam-pitanjahana.
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;