Matio 17:14 - Baiboly Katolika Ary rehefa tonga teo amin’ny vahoaka Izy, dia nisy lehilahy anankiray nanatona Azy, ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: «Tompo, mamindrà fo amin’ny zanako lahy; mararin’ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tonga teo amin’ny vahoaka izy ireo dia nisy lehilahy iray nanatona an’i Jesosy, ary nandohalika teo anatrehany DIEM PROTESTANTA Nony tafaverina teo amin’ny vahoaka ry i Jesoa efa-mianaka, dia nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ary nandohalika teo anatrehany Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony tafaverina teo amin’ny vahoaka ry i Jesoa efa-mianaka, dia nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ary nandohalika teo anatrehany Baiboly Protestanta Malagasy ARY rehefa tonga teo amin’ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe: Malagasy Bible Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe: La Bible en Malgache Rehefa tonga teo amin’ny vahoaka izy ireo dia nisy lehilahy iray nanatona an’i Jesosy, ary nandohalika teo anatrehany |
Ary nisy boka anankiray nanatona Azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: «Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.»
Nony nivoaka handeha Izy, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: «Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?»
Nony tapitra ny hafitoana, dia niainga handeha izahay, ka nirohotra nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna izy rehetra ombam-bady aman-janany. Nony mby teo amoron-dranomasina izahay, dia nandohalika nivavaka.