Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 16:22 - Baiboly Katolika

Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe: «Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera ka niteny Azy mafy hoe: Sanatria Aminao izany, Tompoko! Tsy ho Aminao mihitsy izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa i Petera kosa nitondra an’i Jesoa hihataka kely sady niteny Azy mafy hoe: –Sanatria aminao izany, ry Tompo! Tsy hihatra aminao velively izany!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa i Petera kosa nitondra an’i Jesoa hihataka kely sady niteny Azy mafy hoe: –Sanatria aminao izany, ry Tompo! Tsy hihatra aminao velively izany!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera ka niteny Azy mafy hoe: Sanatria Aminao izany, Tompoko! Tsy ho Aminao mihitsy izany.

Jereo ny toko



Matio 16:22
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary ilay iraka lasa niantso an’i Mikea dia niteny taminy nanao hoe: «Indro fa iray teny avokoa ny mpaminany izao, samy milaza soa ho an’ny mpanjaka, ka mba ampifanaraho amin’ny azy ireo tsirairay avy koa ny teninao, mbà milaza soa.»


Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hampijalin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangana amin’ny maty rehefa afaka hateloana.


Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana! manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.»


sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy.