Tenin’i Jeremia zanak’i Helkiasy, iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina.
Matio 16:14 - Baiboly Katolika Ary hoy ireo: «Ny sasany manao hoe: Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy ireo: Ny sasany dia milaza hoe: Jaona Mpanao batisa; ary ny sasany dia milaza hoe: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na iray amin’ireo mpaminany. DIEM PROTESTANTA Dia novalian’ny mpianany hoe: –Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe i Jeremià na anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra. Ary hoy i Jesoa taminy: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia novalian’ny mpianany hoe: –Misy manao hoe i Jôhany Mpanao batisa; ny sasany kosa manao hoe i Elià; ary ny hafa indray manao hoe i Jeremià na anankiray amin’ireo mpaminanin’Andriamanitra. Ary hoy i Jesoa taminy: Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ny mpaminany. Malagasy Bible Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany. La Bible en Malgache Ary hoy ireo: Ny sasany dia milaza hoe: Jaona Mpanao batisa; ary ny sasany dia milaza hoe: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na iray amin’ireo mpaminany. |
Tenin’i Jeremia zanak’i Helkiasy, iray amin’ireo mpisorona any Anatôta, amin’ny tanin’i Benjamina.
ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «I Joany Batista izay; efa nitsangana avy any amin’ny maty izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.»
Dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: «Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?»
Ary tamin’izany andro izany, dia niseho i Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea
fa ny sasany kosa nanao hoe: «I Elia izay,» ary ny hafa indray dia hoe: «Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.»
Ary namaly Azy ireo, nanao hoe: «I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.»
fa ny sasany nanao hoe: «I Joany no nitsangan-ko velona avy any amin’ny maty,» ny sasany nilaza hoe: «I Elia no niseho,» ary ny sasany nanao hoe: «Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona.»
Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: «Iza àry? I Elia va ianao?» Fa hoy izy: «Tsy izy aho.» «Ilay Mpaminany va ianao?» Fa hoy ny navaliny: «Tsia.»
Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka; ny sasany nanao hoe: «Tsara fanahy Izy,» ny sasany kosa nanao hoe: «Tsia, fa misoloky ny vahoaka Izy.»
Dia hoy indray izy ireo tamin’ilay jamba: «Mba ahoana kosa no filazanao azy, fa nampahiratra ny masonao Izy?» Ka hoy ralehilahy: «Mpaminany Izy.»