Fandrika ho an’ny olona ny manaonao foana hoe: Zavatra masina ity; ka efa vita ny voady vao mieritreritra.
Matio 15:5 - Baiboly Katolika Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy hilaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa natolotro an’Andriamanitra ny tokony ho nentiko manampy anao, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nateriko ho fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana rehetra tokony ho anao avy amiko, dia tsy mila manaja ny rainy na ny reniny intsony izy. DIEM PROTESTANTA Ianareo kosa manao hoe: «Na iza na iza hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an’Andriamanitra ny zavatra tokony hanasoavako anao, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianareo kosa manao hoe: «Na iza na iza hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa nataoko fanatitra ho an’Andriamanitra ny zavatra tokony hanasoavako anao, Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy kosa hianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: ,Efa fanatitra ho an’Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,’ dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy. Malagasy Bible Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy. La Bible en Malgache Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Efa nateriko ho fanatitra ho an’Andriamanitra izay fanampiana rehetra tokony ho anao avy amiko, dia tsy mila manaja ny rainy na ny reniny intsony izy. |
Fandrika ho an’ny olona ny manaonao foana hoe: Zavatra masina ity; ka efa vita ny voady vao mieritreritra.
Fa hoy Andriamanitra: Manajà ny rainao aman-dreninao; ary koa Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hovonoina ho faty.
dia afaka tsy hanaja ny rainy na ny reniny akory izy, koa nofoananareo ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofinareo.
Fa namaly i Piera sy i Joany ka nanao tamin’izy ireo hoe: «Tsaraonareo raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny manaiky anareo mihoatra noho an’Andriamanitra;
Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: «Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.