Vao nahita ireo rahalahiny i Josefa dia nahalala azy; nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy, nanao hoe: «Avy aiza ianareo?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Avy amin’ny tany Kanaana izahay, mba hividy hanina.»
Matio 15:23 - Baiboly Katolika fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraimbava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: «Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanefa Izy tsy namaly azy akory na dia teny indraimbava aza. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka Taminy hoe: Roahy izy fa miantsoantso mafy ato aorianantsika. DIEM PROTESTANTA Tsy namaly teny azy i Jesoa, ka nohatonin’ny mpianany ary nangatahany hoe: –Omeo an-dramatoa io izay tadiaviny, satria miantsoantso mafy manjohy antsika izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy namaly teny azy i Jesoa, ka nohatonin’ny mpianany ary nangatahany hoe: –Omeo an-dramatoa io izay tadiaviny, satria miantsoantso mafy manjohy antsika izy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika. Malagasy Bible Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika. La Bible en Malgache Kanefa Izy tsy namaly azy akory na dia teny indraimbava aza. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka Taminy hoe: Roahy izy fa miantsoantso mafy ato aorianantsika. |
Vao nahita ireo rahalahiny i Josefa dia nahalala azy; nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy, nanao hoe: «Avy aiza ianareo?» Ary hoy ny navalin’ireo: «Avy amin’ny tany Kanaana izahay, mba hividy hanina.»
Nataon’i Davida. Ianao no antsoiko, ry Iaveh ô, aza manentsin-tadìny amiko, ry vatolampiko, fandrao raha mangina Ianao, dia ho tahaka izay midina any an-davaka aho.
Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.»
Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: «Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalin’ny demony mafy loatra ny zanakovavy»;
Ary hoy ny navaliny azy: «Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho.»
Tsarovy ny lalàna rehetra izay nasain’i Iaveh Andriamanitrareo nandehananareo, tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalàna ny hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.