Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 15:22 - Baiboly Katolika

Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: «Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalin’ny demony mafy loatra ny zanakovavy»;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary indro, nisy vehivavy kananita iray avy tamin’izany faritra izany niantsoantso hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! Ny zanako vavy dia ampahorin’ny demonia loatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: –Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: –Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ny demonia loatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary indro, nisy vehivavy kananita iray avy tamin’izany faritra izany niantsoantso hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! Ny zanako vavy dia ampahorin’ny demonia* loatra.

Jereo ny toko



Matio 15:22
19 Rohy Ifampitohizana  

Ho an’ny mpampianatra hira amin’ny zava-maneno tendrena. Salamon’i Davida.


dia ho raiki-pitia ny hatsaran-tarehinao ny mpanjaka fa tomponao izy; ka tolory fanajana.


Iaveh ô, aza sazînao amin’ny fahatezeranao aho, ary aza faizinao amin’ny fisafoahanao.


Tsy ho any amin’ny firenena maro hafa fiteny sy miboeriboeri-piteny, ka tsy ho azonao ny teniny, fa ho amin’izy ireo no anirahako anao; hahazo ny teninao izy.


Filazana ny razan’i Jesoa-Kristy, Zanak’i Davida, zanak’i Abrahama:


fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraimbava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: «Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika.»


Nentiko tamin’ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo.»


Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny.


Ary nony niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy, sady niantso mafy nanao hoe: «Ry Zanak’i Davida ô! mamindrà fo aminay.»


Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: «Ry Jesoa Mpampianatra ô! mamindrà fo aminay.»


Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‹Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.›


izay tonga teo mba hihaino Azy, sy mba hositraniny amin’ny aretiny: dia nositraniny izay nampijalin’ny fanahy maloto,