Fa mandoka tena izy, eo imason’Andriamanitra. Mihevitra fa hoe angamba tsy ho hitan’Andriamanitra na oviana na oviana sy tsy hankahalainy ny helony.
Matio 15:18 - Baiboly Katolika Fa izay mivoaka amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo ka izany no mahaloto ny olona. DIEM PROTESTANTA Fa izay aloaky ny vava kosa dia mipoitra avy ao am-po, ary izany no mahaloto ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izay aloaky ny vava kosa dia mipoitra avy ao am-po, ary izany no mahaloto ny olona. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. Malagasy Bible Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. La Bible en Malgache Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo ka izany no mahaloto ny olona. |
Fa mandoka tena izy, eo imason’Andriamanitra. Mihevitra fa hoe angamba tsy ho hitan’Andriamanitra na oviana na oviana sy tsy hankahalainy ny helony.
Ny molotry ny marina mahalala izay mahafinaritra, fa ny vavan’ny ratsy fanahy kosa, mahalala ny haratsiana.
Ny lelan’ny hendry, mahatonga ny fahaizana ho mahatehotia, ny vavan’ny adala miboiboika hadalana.
Ny fon’ny marina, mihevitra izay tokony hovaliany, fa ny vavan’ny adala mitsaontsaon-dratsy.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
Ny olona ratsy fanahy, ny olona tsy marina, dia mandroso, ka ao am-bavany ny faharatsiana;
Ry taranaky ny menarana, hataonareo izay ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara fa izay mameno ny fo ihany no tsy maintsy haloaky ny vava?
tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona; fa izay aloaky ny vava, izany no mahaloto ny olona.»
Moa tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ny vava dia midina any an-kibo ka ariana any an-katakonana?
Dia hoy ilay mpanjaka taminy: Azoko amin’ny vavanao ianao, ry mpanompo ratsy fanahy; fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko;
Ka aoka i Iaveh no hitsara ahy sy ianao ary aoka i Iaveh no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy hamely anao.