Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 14:26 - Baiboly Katolika

Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: «Matoatoa io,» sady niantsoantso izy noho ny tahony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony nahita Azy nandeha teo ambonin’ny ranomasina ny mpianatra dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Matoatoa io; dia niantsoantso izy ireo noho ny tahotra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanjo nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Matoatoa io! Niantsoantso mafy ny mpianatra noho ny tahotra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanjo nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Matoatoa io! Niantsoantso mafy ny mpianatra noho ny tahotra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony nahita Azy nandeha teo ambonin’ny ranomasina ny mpianatra dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Matoatoa io; dia niantsoantso izy ireo noho ny tahotra.

Jereo ny toko



Matio 14:26
11 Rohy Ifampitohizana  

ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy.


Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany.


Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina,


Dia natahotra izy ireo ka niondrika, fa nilazan’iretsy hoe: «Nahoana no atỳ amin’ny maty no itadiavanareo izay velona?


Dia hoy ireo taminy: «Very saina ianao.» Nefa nilaza marina dia marina izy fa izany tokoa; ka hoy izy ireo: «Anjeliny izany.»


Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;