Nony nandre izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an’efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.
Matio 14:15 - Baiboly Katolika Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: «Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro; koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianatra ka niteny Taminy hoe: Atỳ an-tany efitra isika izao ary efa hariva ity ny andro; ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny vohitra hividy hanina. DIEM PROTESTANTA Nony hariva ny andro, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: –Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; koa ravao ny vahoaka mba hamonjy tanàna hividy sakafo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony hariva ny andro, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: –Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; koa ravao ny vahoaka mba hamonjy tanàna hividy sakafo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin’ny vohitra hividy hanina ho azy. Malagasy Bible Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin'ny vohitra hividy hanina ho azy. La Bible en Malgache Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianatra ka niteny Taminy hoe: Atỳ an-tany efitra isika izao ary efa hariva ity ny andro; ampodio ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ny vohitra hividy hanina. |
Nony nandre izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samy irery any an’efitra; fa rehefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka azy.
Rehefa niala tao an-tsambo Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.
fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraimbava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: «Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika.»
ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.»
Efa ho hariva ny andro ka nanatona ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe: «Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa atỳ an’efitra isika izao.»