Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 13:5 - Baiboly Katolika

ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady nanify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany be vato izay tsy ampy nofon-tany, dia nalaky nitsiry ireny satria tsy lalina ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny voa sasany latsaka tamin’ny toerana be vato sady manify nofon-tany, ka vetivety dia nitsimoka satria tsy lalina ny tany nilentehany;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny voa sasany latsaka tamin’ny toerana be vato sady manify nofon-tany, ka vetivety dia nitsimoka satria tsy lalina ny tany nilentehany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany be vato izay tsy ampy nofon-tany, dia nalaky nitsiry ireny satria tsy lalina ny tany.

Jereo ny toko



Matio 13:5
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary izy rehetra homeko fo iray, hasiako fanahy vaovao ao anatiny, hoesoriko amin’ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy;


Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.


Moa ny vatolampy ihazakazahan’ny soavaly, na ampiasana ny omby va izany? no dia navadikareo ho poizina ny hitsiny, ary ho abisinta ny vokatry ny rariny.


Nataony tonga toy ny diamondra ny fony tsy hihaino ny lalàna sy ny teny nampitondrain’i Iavehn’ny tafika azy ireo, nolazain’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa nisy fahatezerana mafy avy amin’i Iavehn’ny tafika.


Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izany,


ary nony namafy Izy, ny sasany latsaka teny amoron-dalana, dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;


kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina, satria tsy latsa-paka.


Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin’ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana;


Ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina;