Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary.
Matio 13:48 - Baiboly Katolika rehefa feno izy dia nosarihina ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary rehefa feno izany dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao anaty harona fa ny ratsy kosa dia nariany. DIEM PROTESTANTA Rehefa feno ny harato, dia notarihina ho eny amoron-drano; ary nipetraka ny mpanarato nifantina ny tsara hataony an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa feno ny harato, dia notarihina ho eny amoron-drano; ary nipetraka ny mpanarato nifantina ny tsara hataony an-karona, fa ny ratsy kosa nariany. Baiboly Protestanta Malagasy ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. Malagasy Bible ary rehefa feno izany, dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy nariany. La Bible en Malgache ary rehefa feno izany dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao anaty harona fa ny ratsy kosa dia nariany. |
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary.
«Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao;
Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»
Ary raha nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i Andre rahalahiny, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.