Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.
Matio 13:47 - Baiboly Katolika «Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samihafa karazana rehetra; DIEM PROTESTANTA –Ary izao koa: ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka anaty ranomasina ka nanangona izao karazan-trondro rehetra izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ary izao koa: ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka anaty ranomasina ka nanangona izao karazan-trondro rehetra izao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; Malagasy Bible Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin'ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra; La Bible en Malgache Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samihafa karazana rehetra; |
Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny rakitra nafenina tany an-tsaha, izay hitan’olona ka nafeniny tao ihany aloha; dia lasa tamin-karavoana izy nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy io saha io.
Ary nony nahita anankiray be vidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
rehefa feno izy dia nosarihina ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony ao an-karona, fa ny ratsy kosa nariany.
ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna. Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna: «Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao.»
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy.
satria tsy maintsy misy an-daniny maro eo aminareo, mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.
Tany am-pivahiniana imbetsaka, matetika no saiky nidiran-doza, dia loza tamin’ny ony, loza tamin’ny jiolahy, loza tamin’ny iray firenena amiko, loza tamin’ny Jentily, loza tao an-tanàna, loza tany an’efitra, loza tany amin’ny ranomasina, loza tamin’ny havana sandoka;
ary ny anton’izany, dia satria nisy mpino sandoka sasany nampidirina an-tsokosoko sy niditra mangingina, hitsikilo ny fahafahana ananantsika ao amin’i Kristy Jesoa mba hanandevozany antsika.
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Sarda: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty.