Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 13:40 - Baiboly Katolika

Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ny afo dia toy izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa tahaka ny anesorana ny tsimparifary sy andorana azy amin’ny afo no hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa tahaka ny anesorana ny tsimparifary sy andorana azy amin’ny afo no hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ny afo, dia toy izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin'ny afo, dia toy izany no hatao amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ny afo dia toy izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Jereo ny toko



Matio 13:40
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny ho avy.»


Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.


ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely.


Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,


Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Lazao anay izay andro hahatongavan’izany, sy ny famantarana ny hiavianao mbamin’ny hahataperan’izao tontolo izao.»


ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


Nozoin’izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany; ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr’izao andro farany izao.


raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.