Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny ho avy.»
Matio 13:39 - Baiboly Katolika ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao ary ny mpijinja dia ny anjely. DIEM PROTESTANTA ny fahavalo namafy ny tsimparifary dia ny devoly; ny taom-pijinjana dia ny fiafaran’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny anjely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny fahavalo namafy ny tsimparifary dia ny devoly; ny taom-pijinjana dia ny fiafaran’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny anjely. Baiboly Protestanta Malagasy ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely. Malagasy Bible ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely. La Bible en Malgache ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly*; ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao ary ny mpijinja dia ny anjely. |
Ary na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany: fa izay hanao teny manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny ho avy.»
Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena, mamono ny teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy.
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Ny fahavaloko no nanao izany, hoy ny navaliny. Tianao va ny handehananay hiava azy? hoy ireo mpanompony taminy.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
Ary raha nipetraka teo an-tendrombohitry ny Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: «Lazao anay izay andro hahatongavan’izany, sy ny famantarana ny hiavianao mbamin’ny hahataperan’izao tontolo izao.»
Ary rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Nozoin’izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany; ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr’izao andro farany izao.
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy, toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Fa tsy mba toy ny sasany izay mampifaho ny tenin’Andriamanitra izahay, fa tsy misy famahony sy araka ny nanomezan’Andriamanitra azy no itorianay azy eo anatrehan’Andriamanitra, ao amin’i Kristy.
ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana.
fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia Ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao.
raha izany dia ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja Izy no niseho tamin’izao andro farany izao, mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny Tenany ho sorona.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany.
Ireo koa no efa novinanin’i Enôka, ilay fahafito avy amin’i Adama, hoe: «Indro avy ny Tompo, omban’ny olo-masiny tsy tambo isaina,
ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.
ary namitaka ny mponina amin’ny tany tamin’ny fahagagana nomena hataony teo anatrehan’ny Biby, nasainy nanao sarin’ilay Biby naratry ny sabatra nefa velona ihany, ny mponina eto an-tany;
Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;