fa tsy maintsy mitondra vy na zaran-defona izay olona mikasika azy; ary dorana amin’ny afo eo ihany izy.»
Matio 13:30 - Baiboly Katolika Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitro ny vary. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avelao ihany hiara-maniry izy roa ambara-piavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro. DIEM PROTESTANTA Aoka ihany hiara-maniry izy roroa mandra-piavin’ny taom-pijinjana; ary amin’izay vao holazaiko amin’ny mpijinja hoe: «Esory aloha ny tsimparifary, ka fehezo ho amboarany mba hodorana; fa ny vary kosa, angony ho any an-tsompitro.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka ihany hiara-maniry izy roroa mandra-piavin’ny taom-pijinjana; ary amin’izay vao holazaiko amin’ny mpijinja hoe: «Esory aloha ny tsimparifary, ka fehezo ho amboarany mba hodorana; fa ny vary kosa, angony ho any an-tsompitro.» Baiboly Protestanta Malagasy Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro. Malagasy Bible Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro. La Bible en Malgache Avelao ihany hiara-maniry izy roa ambara-piavin’ny fararano; ary amin’ny fararano dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary ka afatory ho amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro. |
fa tsy maintsy mitondra vy na zaran-defona izay olona mikasika azy; ary dorana amin’ny afo eo ihany izy.»
Hitokianao hampiditra ny vokatrao va izy? sy hanangona ny varinao ho eo am-pamoloanao?
Amin’izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja, sy raha mitango ny salohim-bary ny tanany; ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona, eny amin’ny lohasahan-dRefaima.
Ka dia ho hitanareo indray, ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Tsia, hoy Izy, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy:
Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrify azy tsirairay avy.
Ny fahotan’ny sasany dia miharihary ka mialoha ny fitsarana; fa ny an’ny sasany kosa, dia manaraka ato aoriana;
Raha misy olona mitsangan-kanenjika anao sy hitady ny ainao: ny ain’ny tompoko ho voafehy ao amin’ny fehezan’ny velona ao amin’i Iaveh Andriamanitrao, fa ny ain’ny fahavalonao kosa ho voatsipiny eny lavitra eny, amin’ny foitran’antsamotady.