Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Matio 12:26 - Baiboly Katolika Raha i Satana no mandroaka an’i Satana, dia miady an-trano izy, ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha i Satana no mandroaka an’i Satana dia miady an-trano izy; koa ahoana no haharetan’ny fanjakany? DIEM PROTESTANTA Raha i Satàna no mandroaka an’i Satàna, dia miady an-trano izy samy izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha i Satàna no mandroaka an’i Satàna, dia miady an-trano izy samy izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? Malagasy Bible Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany? La Bible en Malgache Raha i Satana* no mandroaka an’i Satana dia miady an-trano izy; koa ahoana no haharetan’ny fanjakany? |
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’ny lanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»
Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an’izao tontolo izao no horoahina.
Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,
izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.
tamin’Izy nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina, ka namindra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany,
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.
Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’ny seza fiandrianan’ny Biby koa ny Anjely fahadimy, dia tonga maizina ny fanjakany ka nanaikitra ny lelany ny olona noho ny fijaliany;
Ny mpanjaka filohan’izy ireo, dia anjelin’ny lavaka tsy hita noanoa, izay atao hoe Abadôna amin’ny teny hebrio, ary Apôliôna amin’ny teny grika.