Matio 12:14 - Baiboly Katolika Ary lasa nivoaka ny Farisianina ka niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niala teo ny Fariseo ka nikaon-doha ny amin’izay hamonoany Azy. DIEM PROTESTANTA Fa lasa nivoaka ny sinagôga kosa ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hamonoana an’i Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa lasa nivoaka ny sinagôga kosa ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hamonoana an’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy. Malagasy Bible Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy. La Bible en Malgache Dia niala teo ny Fariseo* ka nikaon-doha ny amin’izay hamonoany Azy. |
Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona;
Rehefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima, dia nitady hisambotra am-pitaka an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy;
Ary lasa nivoaka ny Farisianina, ka niaraka tamin’izay dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina hanao izay hahavoazana Azy.
ary ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nikaroka izay hevitra hamonoana an’i Jesoa, fa natahotra ny vahoaka izy ireo.
Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy no nilaza fa rainy Andriamanitra, ka nanao ny Tenany ho mitovy amin’Andriamanitra. Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny, ka hoy Izy tamin’izy ireo:
Tamin’izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
Ren’ny Farisianina ny vahoaka nitakoritsika toy izany ny aminy, ka naniraka miaramila hisambotra Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny Farisianina.